
Kristianina ny lehilahy, ary poeta.Tsy mifanohitra izany fa sokafy ny baibolinao ary vakio ny Salamo.
Toy izao ny teny fanolorana nosoratan'iRADO ao @ ilay amboaran-tononkalo novokarin'i Thierry, izay mitondra ny lohanteny hoe "NATERAKA INDRAY" :

Endrey izany hafalian'ny "NATERAKA INDRAY" ato amin'ity amboara ity ! Fatratra, fa miverimberina matetika anyanivon'ny tononkalony any ny fiasaorana Ilay tia azy. Ary tsaroako miako aty amiko koa ny haravoam-panahy ao anatiny.
Hay ve misy hafaliana tsy omby tratra tahaka izany ao amin'ireny olona nahalala ny harena miafina tao amin'Ilay nanolotra ny hazavana vaovao ho an'ny fianany ? Hay ve misy fahasambarana tsy fantatry ny fahasambarana mahazatra ny rehetra ? Hay ve misy Fitiavana tonga lafatra tsy fantatr'ireo tsy mahalala afa-tsy ny fitiavana mora lo sy mandiso fanantenana ?
Mientana ny foko teo am-pamakiana ity "NATERAKA INDRAY" nosoratan'i Thierry RAONIZANANY" ity ! Fifaliana miavaka ma-te hanana ! Fiafaliana vitsy mpanana.
Tsy kisendrasendra tokoa ny fifanandrifian'ny anaran'i Thierry RaONIzanany amin'izay voalazan'ny Salam faha-36 andininy faha-8, manao hoe : "ary ny ONY fampifalianao no nampisotroanao azy".
Faly tokoa i Thierry RAONIZANANY fa efa nisotro ny hafalian'ny "NATERAKA INDRAY". Sambatra izy !
Misy tononkalo 102 ny amboara, ary tao anelanelan'ny taona 1995 sy 2005 no nanoratan'i Thierry azy ireo.
Sombiny kely @ ny tononkalo faha-26 no omeko anao izao :
Ilay izaho nangataka
mba tsy halavirinao
nefa impiry manalavitra Anao...
...Ifonako Aminao.
Raha maniry ny hifandray amin'i Thierry ianao dia indro omeko anao ny adiresy imailaka hanoratana aminy : raonizananythierry@yahoo.fr
crédit photos : Thierry