dimanche, août 01, 2010

un autre poème de notre auteure mystère

Un autre indice : ce très beau poème, mis en musique par Noely Rakotoarivony et interprété par Bessa & Lola.

SOMBIM-PANAMPIANA (Tonony: ???/ Feony: Noely Rakotoarivony)

Fa toy ny voninkazo
Maniry an-tanihay
Mosaren-dranonando,
mbola tsy soa dia nalazo.

Tahaka izany koa
ny fo tsy manana fitia
fa velombelom-poana:
tsy misy aina tokoa!

Mba ampandefero
ny hambom-po ratsinao
Hanjary fo misariaka
ilay fitiavan-tenanao
Ario izay kakay masiaka:
Fitiavana asolo ireo

Raha toa ianao mijaly.
Tsy ahitam-pifaliana
ny fiainam-pahoriana
Inty aho mba hamalifaly
Henoy izao hira izao,
fampaherezako anao
Aidiro am-po atao
ho sombim-panampiana ho anao

Mba ampandefero
ny hambom-po ratsinao
Hanjary fo misariaka
ilay fitiavan-tenanao
Ario izay kakay masiaka:
Fitiavana asolo ireo


??? - Febroary 1991

Vous avez une toute petite idée ?
C'est une femme, seoo.


1 commentaire:

Unknown a dit…

Musique de Noely Rakotoarivony d'abord! Auteure inspirée dans les deux cas de figure!