jeudi, juillet 29, 2010

takelaka vaovao... ny tenitenintsika

Je vous laisse découvrir ces 2 merveilleux poèmes malagasy...et deviner qui en est l'auteur.

Takelaka vaovao

Tsy misy lasa izay voafafa, tena hadino, foy tanteraka.
Tsy misy takom-pery anaty afaky ny taona maro.
Fa ny omaly sy ny faikany faranan'ny anio, miteraka
takelaka hafa, vaovao handrangotana ny tsiaro.


Indice, cet autre poème

NY TENITENINTSIKA (TENY FA ANTSIKA)... Ho an'ny namako tokoa, namana matoky, tsy vadibelirano, tsy lefona an-danivoa!

Ho fahatsiarovana manokana ireo tiako lasa nodimandry [Dada (27 Aogositra 2006), Bebe (16 Septambra 2006), Tôty (7 Novambra 2007), Rado (15 Septambra 2008), Veve (12 May 2009), Jarisoa (14 Jolay 2009)] sy atolotro ho fisaorana ireo namako rehetra nitantana ahy sy niara-dalana tamiko sy mbola manohy izany, anaty fikatsahana sy fitandrovana ny fanahy tsy ho solafaka anaty fitiavana... Ho an'i Bessa!


Ny angolangolantsika:
angola mahavatra
mitantara antsipiriany,
anaty teny vitsy.

Ny bitsibitsitsika:
bitsika mizatra
mandre izay tena finy,
otronin-tsikitsiky.

Ny volambolantsika:
vola-mampiantefa
hazava-mitrabaka
ny aizi-manaboka.

Ny kalokalontsika:
tsy kalo refarefan’
ny finga-mahasolafaky
ny zava-manodoka.

Réponse la semaine prochaine.