lundi, septembre 19, 2005

Du nouveau...


...Avec de nouvelles images inédites.

  • De Nosy Boraha (plus connue sous le nom d'Ile Sainte Marie)


No comment.

  • D'Antsiranana (Diégo-Suarez)
Insolites :






Famadihana, est-ce un famadihana (retournement) de morts ou de drapeau ?




Vente
et consommation de khat, au vu et au su de tous, en dépit des résultats de la conférence internationale de Madagascar qui a pointé du doigt cette drogue nocive ; ce n'est pas du traffic, c'est un commerce formel, organisé qui se fait sous l'oeil bienveillant des autorités.

Le khat ou qat est une plante dont les feuilles contiennent une substance hallucinogène. Son nom scientifique est Catha Edulis.

Plaisir individuel et plus souvent de groupe, les hommes (et quelques femmes) de Diégo aiment, comme ils le disent si bien, "brouter" durant des heures. Ce sont les feuilles fraîches qui sont consommées. Mâchées longuement et mélangées à la salive, le consommateur forme une grosse boule qu'il garde dans la bouche pendant plusieurs heures. L'usage du qat est un rituel important et pourtant, c'est un véritable fléau pour ces effets dommageable sur la santé et les finances des individus.


Que de douleurs effacées grâce à l'euphorie tranquillisante du khat ! Il est le véritable amortisseur de la crise sociale !

L'économie du pays en est atteinte car il fait perdre chaque jour plusieurs heures de travail à la plupart des ces malgaches de Diégo, de Nosy Be... Du vendeur sur le marché au préposé du district ou, du policier au chauffeur de taxi, tous entretiennent une énorme boule qui leur déforme la joue. Le Khat est présent partout et dans tous les instants.


Mais C'EST UN FLEAU.




Une Renault 4 (4L) sur la route d’Antalaha.



Essayez de deviner combien de passagers et combien de kilos de marchandises
y sont transportés.





Demain ou après-demain, sait-on jamais, nous changeons radicalement de sujet.

Je vous présenterai un jeune poète malgache de mes amis, Thierry Raonizanany.


crédit photos : RVT - MAMY GOR - AN

2 commentaires:

sipakv a dit…

tsara be ny blog-nao ! sady amin'izay ianao tena avy any Madagasikara mihitsy no manoratra. Mahereza ary manoratra dia manantena aho fa hamaky anao matetitetika o.

RANDRIANANDRASANA BRUNO JACKY a dit…

mahafinaritra Rangahy ity fandraisana andraikitra ity a! Fantatro tsara fa ny olona tahaka anao dia tsy mba zoviana ny amin'ny hoe inona no tena laharam-pahamehan'ny firenentsika. Taitra mihitsy aho mahita ny hakanton'ny Bilaoginao ka dia indro tonga mandray anjara. Mahaliana ahy ny mifanerasera amin'ny olon'ny fampandrosoana toa anareo izao ka mba avelao re aho handraraka kely ranomainty tete vitsivitsy ambony bilaoginao androany ! Mahereza dia tohizo hatrany ary.


Ndeha ary hiresaka fampandrosoana e!
Samy mahay miresaka daholo rehefa mahazo ilay FITAOVANA IDIRAN’NY FEO TE HO ATAO AVO REHEFA MIVOAKA ENY AMIN’NY VATA FANAMAFISANA, samy mailaka manoratra avokoa izay mahazo ILAY FITAOVANA FITENDRY HO FANDRAFETANA NY TENY HANJARY HO SORATRA AZO VAKIANA EO AMIN’NY TAVA MAZAVAN’NY SOLOSAINA , eny, samy maneho hevitra daholo izay tonga eo amin’ny BILAOGY fa ity no asa: mba misy mahay mampandroso tokoa ve? Fampandrosoana mantsy izao no resaka. Tsy fampandrosoana manao tifi-danitra anefa izany ambarako izany fa fampandrosoana tena mikendry ny fahavalo na fampandrosoana tena mikendry ny haza. Napetrako ny hoe ” mitifi-danitra” mba hitaha amin’ny hoe “mikendry”, izany hoe efa ratsy sahady izay tsy fananana fikendrena mazava izay, efa fatiantoka be sahady izay. Nefa ny mitranga any Madagasikara dia mbola ratsy no ho izany aza. Tsy mba “ilay lanitra tsy hianjera” no atao maty tifitra, tsy ny rahona manaloka iny “fonenan’ny olo-masina” iny akory aza no atao bokan’ny voam-bala, fa ny namana sy tapaka, fa ny rahalahy sy ny anabavy miavo-tena. Ny lohantsika malagasy miondana rotsirotsy fampandrosoana fa ny fanambanintsika dia mbola mitombona tsara eo amin’ny sezan’ny fanjanahan-tany ihany. Mampangirifiry ny hafa ny zava-bitan’ny sasany nefa ny “HAFA” toa tsy mahatsiaro akory ho tompon’andraikitra na dia mitaraina aza ny “SASANY”. Tsy voatery ho noho ny faharatsian-tsaina anefa izany, indrisy, fa mety ho noho ny aretina mihitsy ihany koa: Homamiadan’ny toe-tsaina. Maro no voan’io aretina io amin’ny malagasy. Na dia efa ho dimampolo taona aza izao no namahana ny fatoran’ny tànana aman-tongotr’i Madagasikara, hatramin’izao andro hifampiresahantsika izao dia mbola misy olona toy ny mandeha amin’ny tongotra sy tanana mikambana toa mbola voagia am-patorana ihany manerana ny NOSY. Mila fitsaboana maika ity homamiadan’ny toe-tsaina ity fa io no handemy antsika mianankavy dia avy eo anie io koa hahalasa antsika tsimoramora ho rembin’ny fasan’ny Fampandrosoana mahery mitifitra; nefa tsy mikendry afa-tsy ny havana aman-tsakaiza manomboka afa-tsakana. Mahery setra angamba izany sary ampiasaiko izany, haiko tsara, nefa rehefa mitaha amin’ny tena zava-misy anonontononana hoe “Fampandrosoana, Fampandrosoana” any an-tanàna dia ohatry ny fanafody tsy ampy hery ihany, ohatry ny ranomena tsy mahatohitra ny sery. Avelao ary ho avoakako avy ato am-paosiko ny tanako hilazako azy, ndrao mantsy dia heverinao fa naman’ireo mbola mifatotra koa aho, mba fomban’ny Gasy fotsiny ny tsy avy dia mivatravatra fa mba mody misoko manao ilay “Hanitra nentin-drazana” izay ka mba manjohy ny lalan’ny Zoky teo aloha ny tenako. Iza amin’ireo mpitondra nifandimby re no tsy mbola taty an-dafy taty ka mba nahita ny làlana midadasika nanaovan’ny olona ezaka eran’ny fo mba hikorianan’ny olona mifanerasera sy ny vokatra jifaina amin’ny fomba maro isan-karazany hanerana ny vazan-tany? Iza amin’izy ireo no tsy mbola nandro tamin’ny rano mafana tamin’ny hotely lehibe maro kintana dia mifafa sy manamaina tena amin’ny famaohana malandilandy, ary tsenain’ny kafe mafana azo sotroina miadana eo amin’ny seza be velarana manatrika ny fitaratry ny vata fahita lavitra miloko avy eo? Iza amin’izy ireny no tsy mbola natory anaty efitra manitra misy varavarankeny maharo amin’ny rivotra sy ny orana ao amin’ny trano voahodidina tamboho arahan’ny mpitandro filaminana maso 24 ora isan’andro? Ny miala amin’ny lalan-tsarety tsy azo diavina raha fahavaratra, ny miala amin’ny tetezan-kazo rahonan’ny rano hoentina isan-taona izao, ny miala amin’ny lalana 40 km atao herinandro, ny miala amin’izany no atao hoe fampandrosoana fa tsy ny mitondra fiarakodia amin’ny làlana tsara tarehy any amin’ny firenen-kafa dia manadino ny fahorian-dRaleva “mandalo mamaky tanàna” any ambanivohitra any. Raha tsy hoe ho an’ny olona marary azon’ilay aretina nolazaiko tery ambony angaha. “Izay marary andrianina”. Ny miala amin’ny voditongotra miparasadrasaky ny fanala entina mijaingijaingy vao maraina, ny miala amin’ny sakafo tapa-kibo ifandroritana amin’ny asa mahafaty masoandro, ny miala amin’ny harivariva mitsena mpiasa trotraka amin’ny tafon-trano mitete sy ny rindrina manambana hianjera lava izao ho amin’ny ba kiraro mafana anaty kiraro mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ho amin’ny tohan’aina mitondra hery sy tanjaka mifanahantsahana amin’ny ezaka atao mandritra ny adim-pamantaranandro manara-penitra anaty andro iray, eny, ho amin’ny hafanana voabaiko mba hanompo ny olom-belona isam-baravarana ho afaka mifindrafindra efitra manao izay zavatra tiany amin’ny fitaovana ampy hiantoka ny fiarovana ny tànany tsy ho voarasan’ny lelam-pamaky dombo mipitika tampoka avy eny an-tendron’ny tahony efa boboka, ny miala amin’izany no atao hoe fampandrosoana fa tsy ny manindritsindry bokotra eo amin’ny fitaovana vokatry ny teknolojia avolenta indramina ihany, dia ilay fitaovam-pifandraisana mazàna miasa amin’ny haingitraingitra raha any an-tany hafa satria natao mba hampiovaova ny zavatra hohanina isan-kariva izay azo fandrihana sy azo andrasana fotsiny eo am-baravarana ka hanadinoina fa ny hoe raha mba misy taro-by azo iantsoana na dia minitra iray monja aza ny tanàna maro any Madagasikara dia mba maro be ny vehivavy tsy niharan’ny fanaovana an-keriny, maro be ny zaza tsy lasa kamboty noho ny hetraketraky ny sasany, marobe ny omby tsy voatarika an-tery vay manta hamakivaky ny alina na dia vao nomanina ho an’ny sarety ny maraina manaraka aza. Tsy hay odian-tsy hita izany raha tsy hoe marary angaha fa “izay marary, hono, mantsy andrianina”. Miala amin’ny angadin-tànana ho amin’ny angadin’omby, miaga avy eo amin’ny angadin’omby miampita ery amin’ny trakitera. Tsy izany ve no fampandrosoana resahanareo ato io? Midera ny mpianatra ho dokotera aho miharitra ny 7 taona eny amin’ny oniversite farafahakeliny. Midera azy aho sady mamporisika azy ireo mafy, indrindra ireo izay manam-paniriana handalina manokana ny amin’ny atao hoe “homa-miadana”, satria maro be ny marary any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana tahaka antsika. Tsy tsiny ho an’ny marary ny aretina na dia ao aza ilay fitenenana hoe “Ny tsiny tsy azo tsy marary”. tena mainka mila dokotera betsaka lavitra no ho ny tamin’ny lasa isika fa lavitra loatra zao lalan’ny fandrosoana izao. Indraindray aho dia alaim-panahy hihevitra hoe ndrao dia mba efa an-koditra azan y fandrosoana fa isika no efa tototry ny tseroky ny fiharetam-pery ka tsy manana hoditra hisitrahana ny fanafosafon’ny fandrosoana intsony. Tena mametra-panontaniana amin’ny tenako mihitsy aho hoe: Ndrao dia efa nihoarantsika re ny garan’ny fandrosoana fa saingy isika diso renoky ny emboka mampankafy ny ladina an-tany fotsiny dia tsy mahatsiaro hatramin’izao? Rehefa mikoso-maso tsara ny avy natory dia mahazo tsy mihevi-tena ho manonofy antoandro intsony. Rehefa avy mandro ny jenjina mason-koditra dia mba afaka mihatokatoka ny amin’ny zavatra tsapany. Izaho koa rehefa maheno ny fofon’ny fahantrana misondrotra avy amin’ny lohasahan’ny mpian’ala miaraka aminko, rehefa maheno ny fihemponempon’ny tratra ana valaky ny tolona amin’ny fiainana, rehefa voadonan’ny tànana mikiraviravy avy any ambony. Dia tànana miantona eo antenantenany, fa sady tsy tafakatra hioty nymasaka mena midorehitra eny an-tendron-kazo no tsy tafidina hitsimpona ny lo nazeran’ny rivotra sy ny sisan’ny vorona eo am-potony. Te hangataka amin’ny Fanjakana aho hanao dingana any amin’ny fikambanam-be iraisam-pirenena mba hanovana ny kilasin’ny firenena Malagasy tsy ho tononina miaraka amin’ny firenena hafa tsy velon-komana mila fanampiana lava, mitavandra ny tànan’nyhafa hitsotra lava izao, miandry ny fitseran’ny efa voky an-tenda mandra-kariva ary miangavy ny fitserana avy amin’ny tarika indray nihira aza. Te hitoreo amin’ny fanjakana aho mba tsy hety intsony fa hitory amin’izay fahefana mahatapaka lavitra any an-tampony any raha mbola misy manakitapo iray ny Nosy Malalantsika amin’ireo firenena tsy mahalala menatra fa maniraka ny mpitondrany handeha hizaha fifampiraharahana etsy sy aroa hanafohanana ny trosabeny, firenena tsy manna-kambo fa manao ny loza voa-janahary ao aminy ho antony ahafahana mangataka misimisy kokoa noho ny amin’ny fotoana tsy misy zava-doza mitranga. Izaho koa anefa eo an-danin’izay mba te hangataka amin’ny Akademia Malagasy mba hamoaka teny vaovao hiantsoana ny tany antsoina hoe mbola “ANDALAMPANDROSOANA” foana na dia efa ho am-polon-taonany maro aza izay no niantsoana azy ho toy izany. Ny hoe an-dalam-pahafatesana mantsy dia tsy hoe ny fotoana nanombohan’ny aretin’ny olona iray ho faty. Tsia! Fa tokony ho fotoana fohy izany! Dia ny fotoana nampirongatra indrindra ny aretina nanoloana ny faharerahana be tao amin’ilay mahonena. Ary koa ny hoe koa an-dalam-pandresena dia tsy hoe ny fotoana vao hanombohan’ny ady totohondry ho an’ny mpanao ady totohondry iray. Tsia! Tsy izany mihitsy fa kosa ny fotoana manomboka hisongadinan’ny fihoarany an-kery sy an-tetika manoloana ilay mpifanandrina aminy izay hita fa miha toro sy miharava. Raha oharina amin’ny tontolo ben’ny adin’izy ireo dia tokony ho fotoana fohy koa izany! Na amin’ny trangan-javatra mampilatsa-dranomaso, na amin’ny kihon-tantara mety hampitsiky ny molotra, ny hoe “an-dàlana” dia tsy mba ny vataben’ny raharaha fa mandrakariva dia ampahany, raha tsy hoe ho fampaherezana fotsiny izay efa ampoizin-ko tola alohan’ny fahataperan’ny fanisam-potoana angaha. Inona re no marika milaza fa an-dalany tokoa Madagasikara izao amin’ny resaka fandrosoana? Inona no fambara misongadina ahafahana milaza fa efa mihagodro izao ny lohaliky ny tsy fandrosoana? Raha tsy izany mantsy dia isan’ireo ampoizin-ko resy isika ka mila fampaherezana manokana. “Mahereza!” an-kolaka io izany! Inona moa no maharatsy izany fa ny filazana ny Havana azon’ny aretin-koditra hoe “marary hoditra” aza dia mba manampy lavatra azy ireo amin’ny fihatrehana ny fiainana no ho ny hoe “BOKA”. Koa rehefa nampaherezina tamin’izany teny maneso izany nandritra ny taona maro isika, moa tsy efa zatra azy ve izao ka efa tsy mikopoka intsony: Efa mankamamy ny ngidin’ny fahantrana fotsiny aza sisa. Ireo mpitondra izay mba miezaka mafy tokoa nefa hita fa tsy mety tena mahomby hatramin’izao dia mahonena ny mijery azy satria mba mankany an-dafy lava izao mianatra ny fanaon’ny olona nefa toa ny eo ihany no eo ho an’i Madagasikara. Tsy mora koa izany miana-javatra izany an! Ary mba mety menatra ihany koa izy indraindray raha dia hitan’ny sasany hoe “io fa maka tahaka”. Ao koa ireo izay mba miezaka mividy fiara lafo be dia lafo be mba hanehoana amin’ny vahiny mitsidika hoe efa misondrotra anie izahay ity. Mampitsetra ny mahazo ireo mpitondra ireo manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fisakafoana be miharitra ny habe tafahoatra nefa toa ohatra vao mainka mamipakatra ny hafanan’ny lafaoron’ny fihafiana manendy ny valalabemandry indray aza ny fikopahana heveriny hitondra rivodrivotra ho azy ireo. Angamba rehefa tong any ady hevitra momba ny fikarohana izay teny vaovao izay dia hisy hanana fahasahiana ao amin’ny Akademia hilaza hoe: “Maninona moa raha atao hoe ireo FIRENENA SAOZANINA?” Ny mety tsy hahalany an’izay fotsiny izao dia ny fahamaroan’ny olona antsoina hoe “RASOAZANANY” any Madagasikara. Miteraka fisafotofotoam-pahazahoan-dresaka mantsy ny zavatra toy izany na ilay antsoin’ny frantsay amin’ny teny hoe “CONFUSION”. Izay re no lava izay re no fohy ka mahereza dia mahereza satria raha ny resaka fotsiny aza izay no efa lazainao fa efa lava sahady, aiza re izany! Mbola aiza izany rehefa tena hoe “ASAFA TSIKA BARY”

RANDY JACK BROWN (tadin-jidina)
Mandainga izay sahy milaza hoe “Nanomboka namaky io artikla io nefa tsy tonga hatrany amin’ny farany”. Andramo ange e! Isaky voan-teny mianjera ao amin’ny sompitry ny atidohanao mantsy dia misy sira miteraka hetaheta tsy hay tohaina mitarika ny masonao ho liana hamaky ny manaraka hatrany hatrany. Manorata amiko izay mahita zavatra mifanohitra amin’izany. rbrunojacky@yahoo.fr
Misaotra manandrana e!